dia be ...
Nampidirin'i elpis | 21 Feb, 2009anisan ny zavatra iray nandrandrain ny besinimaro ity "dia be" ity androany izay nafana tokoa ny fanentanana no sady hentitra ary manginy fotsiny ny toromarika madinidinika ny amin ny "ivimbinana sakafo maivana", dia samy niandry sy samy niomana na ireo handray anjara mivantana amin izany na koa ireo izay hitazana avy eny lavidavitra rehetra eny hijery izay fandehany,... na iretsy voalohany na ity farany dia samy nametrapanontaniana hoe "dia be" makaiza izy ity? ... akory anefa ny hagagan ny rehetra raha nahare tamin ny ora farany fa dia tsy "handeha" indray ho amin ilay "dia be" fa "hipetraka" hifampiresaka... Ka aona marina izy ity e: handeha sa hipetraka?... de efa ny "hipetraka" aloha izany no tapaka hatreo , ary tsy izay ihany fa natomboka ny "fifanarahana" ... ary mbola hitohy ny "fifanarahana" ... Ka raha izany no jerena de toa fampanatenana poakaty va ny "dia be"? ... tsia tompoko, ny "dia be" dia hatao fa ny endriny no ovaina kely ... hanomboka eo ny "dia be" itadiavana ny marimaritra iraisana; ny "dia be" iandrasana ny rariny sy ny hitsiny; ny "dia be" hiandrasana ny hiafaran'ny tolona,... Raha ny marina mantsy dia nanantena anio fa rehefa ho tody any amin izay naleha tamin ity dia be ity dia tafita ny tolona, ... tsy foana akory ilay "dia be" fa io vao natomboka androany io ... koa dia mahareta ry mpihazakazaka ... dé aza hadino tokoa ny vatsy fa mbola lavitra ny làlana...
("omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay....")